Photos – Sary

One fave of mine.

Isan’ireo sary nalaiko ka tiako indrindra.

Young, colourful and alone. One usual feeling of a solitarian. :-) Most often, though, I wander accompanied, by my camera.

Tanora, marevaka ary irery. Mahazatra ny mpandeha irery. :-) Matetika nefa, mandehandeha sy mivezivezy eny aho, miaraka amin’ny fakan-tsariko.

Love the colours, love the batik technique, the patterns less. The green one with the elephants is more original, in my books. Generally speaking, I love paintings, esp. impressionism (Louis, Chan, the great masters).

Tiako ireo loko ireo, ankafiziko koa ny batik, fa tsy dia tiako ny sary nampiasainy. Ilay iray misy elefanta no toa mba hafa kely. Amin’ny ankapobeny, ta hoso-doko aho, indrindra ny “impressionisme” (Louis, Chan, ireo ngeza amin’izy io).

Europe! Eorôpa

Europe springing into mind… Tea is a main component of the Continental Touch. Longing for that day I’ll enter those two familiar tea shops again.

Eorôpa no tonga ao an-tsaiko… Ny dite dia isan’ireo nolovaiko tamin’ny fiainana sy fomban’ny Kaontinanta. Miandry fotsiny ny hidirana amin’ireo fivarotana dite roa nahazatra ireo indray.

View from up there

The tomb of a soldier… up there. Love trekking! For the pure air, nature, adrenaline fix, “The King of the world” feeling once I reach the summit, firm thighs and butts… above all, the views!

Fasan’ny miaramila iray… eny ambony eny. Dia tiako ny mandeha tongotra kà! Ny rivotra madio, ny natiora, ny fiakaran’ny adrenalinina, ny fahatsiarovana ho “Mpanjakan’izao tontolo izao” rehefa tonga eny amin’ny tampony, ny fe sy ny fitombenana mba mafimafy… fa ambonin’izany rehetr’izany, ny tazana.

-)

Crabs!… Crabs with porkmeat, a finger-licking dish I used to miss living on the continent. Food defines you! I’ve evolved from gourmande to gourmet food lover. Crabs should thank me! else, they’d simply stay in riverbeds, bathing in mud! lol

Foza kely… Foza sy henakisoa, loaka iray mampilela-tanana nalahelovako ary matetika tsaroan’ny vava tamin’ny nipetraka tany ivelany. Milaza betsaka momba anao ny sakafo ! Efa nivoatra ho mpankafy sakafo ilay tendan-kanina taloha. Noho izany, tokony ho faly ny foza ary hisaotra ahy! Raha tsy izay mantsy, nijanona fotsiny tany anaty rano tany, nilona fotaka fotsiny! lol

4 Responses to “Photos – Sary”

  1. […] Il fut un temps où photographier était devenu une habitude… De faune, de flore et de paysage surtout. Pour diverses raisons, […]

  2. Manja be ny sary, manja be ny mpaka azy, vinavinaiko eto ftsn

  3. Mlay be le sary, indrindra fa le lolo sy voninkazo ;)

Leave a reply to Tahina Cancel reply