Archive for the Uncategorized Category

Mamelà hafatra :-)

Posted in Uncategorized with tags , on May 26, 2008 by coolienne

Aody ô!

Niherina indray ny 7 andro. Nahafinaritra ny andro nialana sasatra na dia somary nangatsiaka aza. Dia eto indray aloha! Tsy ho lava taria fa zavatra kely iray. Ianareo tsy mpitoraka blaogy amin’ny WordPress dia afaka mamela hafatra avokoa ary tsy mila misoratra anarana ato vao afaka manao izany.

Vao izao aho no natoron’i jentilisa fa tokony hijery ny momban’ny fametrahana hafatra eto amin’ity blaogy ity mba hahafahanareo mpitsidika rehetra mamela hafatra. Dia nandeha nanontany tany amin’ny Forum-nay aho dia izao falifaly izao! Hitako fa somary hafahafa ihany ny toe-javatra teo mantsy. Toa misimisy ny mpitsidika fa toa vitsy ny mamela hafatra…

PS: Inona amin’izay aza ny boky amin’ny teny malagasy famakinareo ary ny mahaliana ? Mamelà hafatra etsy amin’ny lahatsoratra etsy ambany azafady ô!

Amin’ny manaraka indray!

Advertisements