Archive for the MALAGASY Category

Etsy ange ! Inona kay no boky gasy vakianao ?

Posted in Lisitra with tags , on May 23, 2008 by coolienne

Fanontaniana tonga ato an-tsaiko izy ity taorian’ny namoahako ilay lahatsoratra teo aloha io.

Dia inona ary no famakinao raha miresaka boky gasy isika ? Mbola tsy nisy namela hevitra (commentaire) tamin’ilay soratra tetsy ambany mantsy. Saingy mba te hahafantatra fotsiny ny famakinao m(p)andalo eto io. Raha mety dia fintino kely hoe ny tantaran’ilay boky ary mba omeo ny anaran’ny mpanoratra. Azafady indrindra.

Efa ela mantsy no tokony namaky boky amin’ny teny malagasy ny tena (ankoatr’ilay novakiana tamin’ny kilasy famaranana iny… inona moa no anaran’iny ? Ilay misy an-dry “Dubosc” mpanjanaka ?) fa tsy hitako mantsy hoe inona… sa izay hita ao Ambohijatovo aloha dia raisina ?

Izay! mandra-piresaka etoana indray

Advertisements

Boky: tsy hoadinoina akory Ra-Malagasy

Posted in Lisitra with tags , , , , , , , , , , , on May 21, 2008 by coolienne

Tia mamaky aho. Hatramin’izao nefa dia mazàna tamin’ny teny vahiny no nanaovako izany. Eny fa na dia ny “Tantaran’ny Andriana”- izay isan’ireo boky eo an-doham-pandriako aza- dia amin’ny teny farantsay. Tsy dia misy antony manokana fa dia ny tsy fahazarana fotsiny. Nony nandeha nandrato fianarana tany ivelany moa dia ny fiteny vahiny no tao amin’ny fiaraha-monina. Ny fifaneraserana tao an-trano ihany no tamin’ny teny gasy io. Fa tsy nahita boky amin’ny teny Malagasy aho tany. Tsy nanan-tsaina ny hanafatra koa nefa na dia nitsidika anay matetika tany aza ny ray aman-dreninay. Rehefa mitondra boky momban’i Madagasikara moa ry zareo dia amin’ny teny vahiny foana. Tsy dia nasiako olana loatra satria rehefa tafita ny hafatra ary mahaliana ny boky dia tsara. Noho izany dia lisitra mpanoratra sy boky amin’ny teny vahiny ny ahy.

Ny tena mahavariana ahy nefa dia ny anton’ny nitiavako ireo mpanoratra tena nankafiziko tato ho ato ireo. Edith Wharton sy Henry James, ohatra. Dia-penina samy hafa ny azy ireo, na mpinamana aza izy. Tany amin’ny taon-jato faha 19 sy faha 20 no niaina ry zareo. Nivoitra ary niaina tea anivon’ny fiaraha-monina misy fifanaraha-maso akaiky. Samy tera-tany Amerikana izy ireo, inoako fa samy taranaka Anglisy niondrana tany Amerika (tsia! I James dia taranaka irilandey, vao nojereko tamin’ny ilay mombamomba azy amin’ny boky iray). Samy nanananan-karena ny fianakaviany, mazàna nipetraka tao New York. Tamin’izany moa toa i New York izany no tanan-dehibe (ary hatrizao). Fomban’ny mpanefoefo ny nisitaka tany amin’ny morontsiraka Avaratra-Atsinanana rehefa niala sasatra fohifohy, ary nitety ny tanan-dehiben’i Eorôpa ry zareo rehefa fialan-tsasatra na koa rehefa mitsoaka hatsiaka (any amin’ny Riviera na any Roma no faleha). I Parisy moa no fiantsenana.

Ny vehivavy moa tamin’izany toa tsy niasa. Izany hoe, ny vehivavy tsy nanan-tsafidy moa dia niasa (mpanasa lamba, mpiasa an-trano, mpahandro…) fa ny ngetroka kosa dia irony antsoina hoe “women who lunch” irony amin’izao fotoana. Tsy dia misy atao. Toa nanam-potoana nisotroana dite amin’ny an-davan’andro koa ary izy ireny hono. lol Nifanasa, nifamangy matetika. Dia inona moa no mpitranga fa dia ohatran’ny aty Tana ihany ê! na koa toa ny eo anivon’ny “diaspora” sasantsasany.

Ary, laingalainga fa ity no anisan’ny nitiavako ny lahatsoratr’izy ireo. Dia tsy inona fa ny fivoarana eo anivon’ny fiaraha-monina tia mijery sy mitakoritsika momban’ny fiainan’ny hafa. Indrindra, ny resaka fifandraisan’ny tovolahy sy tovovavy hivady na ampivadiana (na sarahina). Tsy ny fianakaviana akaiky ihany no mitsabaka amin’io fa toa be no manana ambara, na mitsara ety ivelany. Dia mitohy hatramin’ny fifaninana amin’ny izay mahay mandray olona indrindra (ilay fampiderana taim-by io an!), na koa amin’izay hitan’ny daholo be fa nanao be indrindra tao am-piangonana, na amin’ny asa fanasoavana. Mahatsikaiky indraindray. Tsy mampatsiaro anareo toe-javatra sy toe-tsaina eto amintsika Malagasy ve izany ? Mahavariana ary nefa mampiteny ny hoe “Dia aza voany fotsiny”. Antony iray tsy dia niarahako tamin’ny diaspora loatra io. Nanana namana Malagasy tany amin’ny tany nandratoako fianarana aho fa saingy ilay vondrom-bondrona mifampitakisina tsy dia voako loatra.

Raha mahita bokin’izy ireo ianareo ao amin’ny ACC na ao amin’ny CCAC dia vakio. “Daisy Miller“n’i James, ohatra. “The age of innocence” (“L’âge de l’innocence“), “De si beaux mariages“, an’i Wharton koa. “La récompense d’une mère” kosa dia nanohina ary nanaitra ahy. Mbola misy hafa maro…

Ankoatr’ireo dia misy ny boky fametrako eo an-doham-pandriana. Boky vakiako matetika, tsy tantara mitohy fa boky famaky tsikelikely, araky ny fanazavana tadiavina ao aminy. Ao ohatra ny “Tantaran’ny Andriana“n’i Rév. Callet. Be mpahafantatra. Tena mahaliana raha te handalina misimisy kokoa momban’ny fombatsika Malagasy hatrizay. Rehefa te hamaky momban’ny fandroana dia mijery; momban’ Imerina roa, enina toko, dia manokatra indray, sns…

Torak’izany ny boky iray momban’ny fomba fahandroan-tsakafo amin’ny faritra iray ao Frantsa. Boky novidiako teny Ambohijatovo izy io. Mahaliana satria amin’ny fomba fisakafo koa no hitarafana ny momban’ny mponina amin’ny faritra iray, indrindra ny kolon-tsaina (sa kolon-kibo izy izao izany ?). Dia mahita toro-hevitra avy amin’ny fomba ntaolon-dry zareo koa. “Odeurs de forêt et fumets de table“. Nijery internet aho taty aoriana dia nahita fa efa tolotra ao amin’ny sita mivarotra “livres rares” izy io satria tsy hatonta intsony ary nefa kely isa no namoahana azy tamin’ny voalohany. Rehefa hitako ny vidiny namarotany azy tao amin’io sita io dia nanapa-kevitra fa ho tazomiko tsara ny ahy. ;-) Na tsy izany aza, tsy mpivarobarotra zavatra aho, indrindra ny boky. Zatra mamerina mamaky ny efa voavakiko aho mantsy ka sao hanenina.

Ao koa ny boky hafa fametrako eo an-doham-pandriana, satria fitambarana boky maromaro novidiako vao haingana ka ampifandimbiasiko ny mamaky azy. Ny tambatra iray an’i James sy iray an’i Françoise Sagan, ohatra. “Bonjour tristesse” izao no natomboko. Raha i Sagan indray dia famerenana ny famaky tamin’ny kilasy 2nde. Telo no mba voavakiko tamin’izany ary izay nosoratan-dRamatoa io dia tiako avokoa. Toa “Aimez-vous Brahms” no tiako indrindra tamin’izany. Mijery aho ato, tambatra boky dimy ambinifolon’i Sagan ilay novidiako. Manga ny lanitra ! lol

Ny tiako indrindra hatr’izay: “Turn of the screw” (“Tour d’écrou“) an’i Henry James, mampangitakitaka; “Blé en herbe” an’i Colette, maivana, mora vakiana. Ao koa ireo, toa an’i “Candide“, “Zadig” nosoratan’i Voltaire. Efa famaky taloha koa dia averina indray. Tao koa ny “biographies” toa ny “Rotschild”, ny an’i Simone Weil (ilay ramatoa féministe ary pôlitisiana Frantsay iray)…sns…

Maro ny boky fa ireo no nifantoako tato ho ato. Ampiako ny lisitra rehefa mahavita indray aho.

Mandra-pa…

Posted in Lisitra on April 22, 2008 by coolienne

Dia faly manoratra etoana indray. Alatsinainy androany. Andro vaovao. Tokony hampitsiry ny aingam-panahy. Asa nefa, toa fomba fihevitra ihany izany… Izy ity ve nefa tsy ho tonga rehefa fotoanany ê!

Fa izao, mandram-pieritreritro ny hitondrako ity blaogikeliko ity dia nisy kosa ireo zavatra na hetsika toa efa fantatro fa tsy ho hitan’ny mpamaky ato.

Ohatra, ny manoratra momban’ny fiara. Tsy mahay mitondra akory ka inona moa no ambara. Mitaingina fotsiny.

Ohatra, momban’ny biby fitaiza an-trano. Tsy dia tiako izy ireny. Sady fahasahiranana no toa mampalahelo. Ho ahy, ny biby dia any ivelany, fara-faharatsiny ao an-tokontany. Fa ity ilay mihidy an-trano ity, toa tsy tantiko ny mahita azy. Tia biby aho, izay no anisan’ny tsy hitazomako azy an-trano.

Ohatra koa, momban’ny baolina kitra. Tsy misy antony manokana, fantatro fotsiny fa tsy hanoratra momba io aho.

Ohatra, momban’ny pôlitika malagasy. Izaho kosa nefa olom-pirenena Malagasy, manana maso, sofina, saina ary vava. Hafaka mitantara ny zava-mitranga eto Dago aho fa tsy hiresaka pôlitika pôlitisianina.

Ohatra hafa, ny mitantara momban’ny toetr’andro eto Madagasikara. Efa fahitandra-Dagokely ny rivo-doza. Maro ireo sita mpiresaka ary manome fanampim-baovao isan’ora momban’ny rivo-doza miantefa eto. Ary toa mahatafita ny vaovao tsara. Tsy ho hitanao eto izany.

Tsy ho mpanao gazety mihitsy aho. Tiako ary mahaliana ahy ny manoratra sy ny mamaky fa… samy manana ny asany. Izaho nefa voalazan’ny mpampianatra teny frantsay iray fa manana “style journalistique” hono. Dia soa ihany fa izy no nilaza azy ;-)

Rehefa teren\'ny mangidihidy ve nefa moa...

Izao nefa, inona moa no atao rehefa teren’ny mangidihidy toa an-drangahy miakanjo ambony matroka eo an-kavanana eo amin’ny sary io ?

Hiampy angamba ity lisitra ity… (Talata vao navoakako ho hitanareo ny lisitra na dia omaly aza no natomboka)

Ananambo

Posted in Dikan-teny malalaka with tags , , , , , , on April 18, 2008 by coolienne

Indro misy dikan-teny nataoko momban’ny ananambo sy ireo zava-tsoa azo avy aminy. Avy amin’ny teny Frantsay no nanaovako io dikan-teny io. Lahatsoratra notsongaina tao amin’ny Midi Madagasikara, nivoaka omaly io (Aprily 17, 2008).

Tsara ny mampahafantatra fa dikan-teny malalaka izy io. Ny tenako moa tsy mpandika teny fa mba sendra nangatahin’olona dia nanao. Hitako fa tsy ampy koa ny unités de mesure, efa hatrany io! Farany: izay mahita dikan-teny hoan’ ireo teny mbola tavela amin’ny Farantsay ireo, mba omeo sopapa azafady ê!.

« Ananambo, loharanom-pahasalamana sy loharanom-piainana

Ny ananambo, ity hazo izay mbola tsy dia tena fanta-daza eto Madagasikara na ny raviny na ny voany, dia tena toy ny tobim-bolamena. Fikarohana maro mantsy no nampiseho fa mitondra zavatsoa maro ny ananambo, ary mety hatafavoaka ny tany iray amin’ny tsy fahampian-tsakafo mihintsy aza. Sokajiana ho hanin-kotrana ny ananambo na koa Moringa. Alain-drony amin’ny patsabe na hazandrano maina no fahandrahoantsika azy. Any Indy, ny voany no tena ambolen’ny olona azy, hohanina vita nahandro. Any amin’ny Sahel, ny ravin’ny Moringa oleifera dia atao legioma ary ny ravin’ny Moringa stenopetala kosa dia foto-tsakafon’ny foko Konso any Etiopia.

Karazany 13 no fantatra amin’ny ananambo hatramin’izao, anisan’izany ny Moringa stenopetala izay maniry any Afrika Atsinanana sy eto Madagasikara. Zavatra maro no azo ampiasàna ny hazon’ananambo, mahatanty main-tany izy, mora hampitomboina isa (hakan-taranaka) ary haingam-paniry ihany koa.

Zavatsoa avy amin’ny ananambo

– Fitiliana ara-tsakafo misimisy no nampiseho fa ny ravin’ny Moringa oleifera dia mitondra vitamines, mineraly ary proteinina be kokoa nohon’ny ankamaroan’ny legioma.

– Ny voan’ny Moringa dia mitondra polyélectrolyte cationique iray, izay efa nitera-bokatra nahomby amin’ny fandiovana ny rano, raha natao solon’ny Sulfate d’Alumine na floculants hafa izy tamin’izany.

– Ny menaka azo avy amin’ny voany dia menaka azo hohanina ary koa akora ho an’ny fanamboarana produits cosmétiques.

– Azo ampiasaina ho toy ny zezika maitso hampitomboina ny biby izy.

– Atao fampidiram-bola koa izy satria ny toton-dravin’ananambo (vovony) dia amidy ho fanampin-tsakafo, amin’ny vidiny 4 euros (14 000 Ariary eo ho eo) ny 100 g any Kenya, 2.4 euros any Ouganda ary 0.85 euros any Tanzania.

Azo ampiasàna ny ananambo:

– handiovana ny ao an-trano (totoina ny raviny),

– atao fefy,

– atao zezika: ny potika voan’ananambo avy nangalana menaka dia azo atao zezika hoan’ny voly be proteines,

– sakafom-biby,

– koban-taratasy,

– fandokoina lamba satria ny hazony dia manome loko manga

Vertus médicinales (inona no ilazàna an’io amin’ny teny gasy ?)

Ny fitsaboana ayurvédique any Indy dia manana fampiasana maro ny Moringa. Ohatra, ataony antibiotika natoraly, na koa fanampina amin’ny fiterahana, fanafody miady amin’ny aretin’ny aty…sns…

Ny tambanivohitra any Oman dia mampiasa ny menakin’ny Moringa hitsaboana aretim-bavony. Ary koa ataony ranomanitra, na koa mena-bolo.

Ny tambanivolo any Haity indray dia mampangotra ny voninkazon’ny Moringa ary ataony rano fisotro hitsaboany sery.

Any Malawi indray, ny ananambo maina dia hitsaboana aretin-kibo.

Otrikaina sy mineraly ao anatin’ny voan’ananambo fihinana milanja 100g

Protéines: 2,5 g

Carotène: 110 mcg

Matières grasses : 0,1 g

Minéraux : 2,0 g

Fibres : 4,8 g

Sucres : 3,7 g

Calories : 26

Calcium : 30 mg

Phosphore : 110 mg

Fer: 0,18 mg

Magnésium: 28

Sodium : 0

Potassium : 259

Cuivre : 0,01

Manganèse : 0,05

Zinc : 0,16

Chrome : 0,003

Chlore : 423

Thiamine : 0,05

Riboflavine : 0,07

Niacine : 0,2

C : 120 »

Vita ilay dikan-teny (Tsy tena vita kay! Mbola misy tsy haiko ny nandika azy dia navelako amin’ny teny vahiny fa mba ampio raha mahita dikany ianareo). Ireto kosa misy rohy mankany amin’ny sita hafa raha te hamaky bebe kokoa momban’ny ananambo ianao:

Ohatra, ny hetsika iray natao, teto Tana, vao haingana ampahalalàna ny ananambo. Toa nisinisy ny artista:

http://www.moov.mg/culture.php?articleId=384113

Ohatra, lahatsoratra Wikipedia (teny anglisy):

http://en.wikipedia.org/wiki/Moringa

Ohatra, sita iray mikasika ny fanaparitahana ny moringa. Toa mahasoa izy ity! (Amin’ny teny anglisy):

http://www.treesforlife.org/our-work/our-initiatives/moringa

Dia aparitaho any amin’ny rehetra any hoan’ny daholo be !