Mamelà hafatra :-)

Aody ô!

Niherina indray ny 7 andro. Nahafinaritra ny andro nialana sasatra na dia somary nangatsiaka aza. Dia eto indray aloha! Tsy ho lava taria fa zavatra kely iray. Ianareo tsy mpitoraka blaogy amin’ny WordPress dia afaka mamela hafatra avokoa ary tsy mila misoratra anarana ato vao afaka manao izany.

Vao izao aho no natoron’i jentilisa fa tokony hijery ny momban’ny fametrahana hafatra eto amin’ity blaogy ity mba hahafahanareo mpitsidika rehetra mamela hafatra. Dia nandeha nanontany tany amin’ny Forum-nay aho dia izao falifaly izao! Hitako fa somary hafahafa ihany ny toe-javatra teo mantsy. Toa misimisy ny mpitsidika fa toa vitsy ny mamela hafatra…

PS: Inona amin’izay aza ny boky amin’ny teny malagasy famakinareo ary ny mahaliana ? Mamelà hafatra etsy amin’ny lahatsoratra etsy ambany azafady ô!

Amin’ny manaraka indray!

Advertisements

3 Responses to “Mamelà hafatra :-)”

  1. Ka nony afaka mamela hafatra anie dia tsy hita indray izay soratana eto e!

    Ny boky famakiko amin’ny teny malagasy moa izany dia i Lala sy Noro e, izay ihany no hitako sy fantatro ankoatran’ny anganon’ny Ntaolo sy ilay boky feno tantara fohy iny. Tsy tadidiko ny anarany.
    Dia ao koa ny gazety (ilay mampihomehy iny) sy ny baiboly saingy tsy mbola vita foana ny baiboly h@zao

    Ikala â!
    I Lala sy Noro ve tsy tamin’ny andron’ny 8e ? sa moa tsy izany ?
    Ny baiboly… inoako fa tsy ho vita mihitsy izy io. Mila finiavana sy faharetana aloha ê!

    Dia tena tsy mahita ho soratana indray ve ? Tongava mitsidika matetika ary. Mba hiezaka hanoratra bebe izany aho. :-)

  2. Takelaka notsongaina kay ilay anaran’ilay boky notadiaviko teo fa adinoko e!

    Dia i Lala sy Noro izany aloha efa ela mihitsy e, ka ny tiako tenenina dia hoe efa ela aho tsy namaky boky amin’ny teny malagasy satria aho tsy mahita firy intsony!!!

  3. coolienne Says:

    Takelaka notsongaina… eny ary!

    Tsy azoko. Ny tianao tenenina ve hoe ny maso ve no tsy mahita tsara intsony sa ny boky gasy no sarotra hita ?

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: