Boky: tsy hoadinoina akory Ra-Malagasy

Tia mamaky aho. Hatramin’izao nefa dia mazàna tamin’ny teny vahiny no nanaovako izany. Eny fa na dia ny “Tantaran’ny Andriana”- izay isan’ireo boky eo an-doham-pandriako aza- dia amin’ny teny farantsay. Tsy dia misy antony manokana fa dia ny tsy fahazarana fotsiny. Nony nandeha nandrato fianarana tany ivelany moa dia ny fiteny vahiny no tao amin’ny fiaraha-monina. Ny fifaneraserana tao an-trano ihany no tamin’ny teny gasy io. Fa tsy nahita boky amin’ny teny Malagasy aho tany. Tsy nanan-tsaina ny hanafatra koa nefa na dia nitsidika anay matetika tany aza ny ray aman-dreninay. Rehefa mitondra boky momban’i Madagasikara moa ry zareo dia amin’ny teny vahiny foana. Tsy dia nasiako olana loatra satria rehefa tafita ny hafatra ary mahaliana ny boky dia tsara. Noho izany dia lisitra mpanoratra sy boky amin’ny teny vahiny ny ahy.

Ny tena mahavariana ahy nefa dia ny anton’ny nitiavako ireo mpanoratra tena nankafiziko tato ho ato ireo. Edith Wharton sy Henry James, ohatra. Dia-penina samy hafa ny azy ireo, na mpinamana aza izy. Tany amin’ny taon-jato faha 19 sy faha 20 no niaina ry zareo. Nivoitra ary niaina tea anivon’ny fiaraha-monina misy fifanaraha-maso akaiky. Samy tera-tany Amerikana izy ireo, inoako fa samy taranaka Anglisy niondrana tany Amerika (tsia! I James dia taranaka irilandey, vao nojereko tamin’ny ilay mombamomba azy amin’ny boky iray). Samy nanananan-karena ny fianakaviany, mazàna nipetraka tao New York. Tamin’izany moa toa i New York izany no tanan-dehibe (ary hatrizao). Fomban’ny mpanefoefo ny nisitaka tany amin’ny morontsiraka Avaratra-Atsinanana rehefa niala sasatra fohifohy, ary nitety ny tanan-dehiben’i Eorôpa ry zareo rehefa fialan-tsasatra na koa rehefa mitsoaka hatsiaka (any amin’ny Riviera na any Roma no faleha). I Parisy moa no fiantsenana.

Ny vehivavy moa tamin’izany toa tsy niasa. Izany hoe, ny vehivavy tsy nanan-tsafidy moa dia niasa (mpanasa lamba, mpiasa an-trano, mpahandro…) fa ny ngetroka kosa dia irony antsoina hoe “women who lunch” irony amin’izao fotoana. Tsy dia misy atao. Toa nanam-potoana nisotroana dite amin’ny an-davan’andro koa ary izy ireny hono. lol Nifanasa, nifamangy matetika. Dia inona moa no mpitranga fa dia ohatran’ny aty Tana ihany ê! na koa toa ny eo anivon’ny “diaspora” sasantsasany.

Ary, laingalainga fa ity no anisan’ny nitiavako ny lahatsoratr’izy ireo. Dia tsy inona fa ny fivoarana eo anivon’ny fiaraha-monina tia mijery sy mitakoritsika momban’ny fiainan’ny hafa. Indrindra, ny resaka fifandraisan’ny tovolahy sy tovovavy hivady na ampivadiana (na sarahina). Tsy ny fianakaviana akaiky ihany no mitsabaka amin’io fa toa be no manana ambara, na mitsara ety ivelany. Dia mitohy hatramin’ny fifaninana amin’ny izay mahay mandray olona indrindra (ilay fampiderana taim-by io an!), na koa amin’izay hitan’ny daholo be fa nanao be indrindra tao am-piangonana, na amin’ny asa fanasoavana. Mahatsikaiky indraindray. Tsy mampatsiaro anareo toe-javatra sy toe-tsaina eto amintsika Malagasy ve izany ? Mahavariana ary nefa mampiteny ny hoe “Dia aza voany fotsiny”. Antony iray tsy dia niarahako tamin’ny diaspora loatra io. Nanana namana Malagasy tany amin’ny tany nandratoako fianarana aho fa saingy ilay vondrom-bondrona mifampitakisina tsy dia voako loatra.

Raha mahita bokin’izy ireo ianareo ao amin’ny ACC na ao amin’ny CCAC dia vakio. “Daisy Miller“n’i James, ohatra. “The age of innocence” (“L’âge de l’innocence“), “De si beaux mariages“, an’i Wharton koa. “La récompense d’une mère” kosa dia nanohina ary nanaitra ahy. Mbola misy hafa maro…

Ankoatr’ireo dia misy ny boky fametrako eo an-doham-pandriana. Boky vakiako matetika, tsy tantara mitohy fa boky famaky tsikelikely, araky ny fanazavana tadiavina ao aminy. Ao ohatra ny “Tantaran’ny Andriana“n’i Rév. Callet. Be mpahafantatra. Tena mahaliana raha te handalina misimisy kokoa momban’ny fombatsika Malagasy hatrizay. Rehefa te hamaky momban’ny fandroana dia mijery; momban’ Imerina roa, enina toko, dia manokatra indray, sns…

Torak’izany ny boky iray momban’ny fomba fahandroan-tsakafo amin’ny faritra iray ao Frantsa. Boky novidiako teny Ambohijatovo izy io. Mahaliana satria amin’ny fomba fisakafo koa no hitarafana ny momban’ny mponina amin’ny faritra iray, indrindra ny kolon-tsaina (sa kolon-kibo izy izao izany ?). Dia mahita toro-hevitra avy amin’ny fomba ntaolon-dry zareo koa. “Odeurs de forêt et fumets de table“. Nijery internet aho taty aoriana dia nahita fa efa tolotra ao amin’ny sita mivarotra “livres rares” izy io satria tsy hatonta intsony ary nefa kely isa no namoahana azy tamin’ny voalohany. Rehefa hitako ny vidiny namarotany azy tao amin’io sita io dia nanapa-kevitra fa ho tazomiko tsara ny ahy. ;-) Na tsy izany aza, tsy mpivarobarotra zavatra aho, indrindra ny boky. Zatra mamerina mamaky ny efa voavakiko aho mantsy ka sao hanenina.

Ao koa ny boky hafa fametrako eo an-doham-pandriana, satria fitambarana boky maromaro novidiako vao haingana ka ampifandimbiasiko ny mamaky azy. Ny tambatra iray an’i James sy iray an’i Françoise Sagan, ohatra. “Bonjour tristesse” izao no natomboko. Raha i Sagan indray dia famerenana ny famaky tamin’ny kilasy 2nde. Telo no mba voavakiko tamin’izany ary izay nosoratan-dRamatoa io dia tiako avokoa. Toa “Aimez-vous Brahms” no tiako indrindra tamin’izany. Mijery aho ato, tambatra boky dimy ambinifolon’i Sagan ilay novidiako. Manga ny lanitra ! lol

Ny tiako indrindra hatr’izay: “Turn of the screw” (“Tour d’écrou“) an’i Henry James, mampangitakitaka; “Blé en herbe” an’i Colette, maivana, mora vakiana. Ao koa ireo, toa an’i “Candide“, “Zadig” nosoratan’i Voltaire. Efa famaky taloha koa dia averina indray. Tao koa ny “biographies” toa ny “Rotschild”, ny an’i Simone Weil (ilay ramatoa féministe ary pôlitisiana Frantsay iray)…sns…

Maro ny boky fa ireo no nifantoako tato ho ato. Ampiako ny lisitra rehefa mahavita indray aho.

3 Responses to “Boky: tsy hoadinoina akory Ra-Malagasy”

  1. Coolienne a! jereo hoe any amin’ny famelankafatra any fa manjary izay ato amin’ny wordpress ihany no afa-miresaka aminao. Sao dia ny rehetra no tokony afa-miresaka ahafantaranao tokoa izay mahaliana ny olona? ny boky famakiko voalohany moa dia ny baiboly: aza ihomehezanao fa io no tsapako tena vakiako indrindra aloha… mamaky kely isan’andro manko. Ankoatra izay dia ireo boky miresaka fivelaran’ny olona na mahaolona ihany koa no tena ankafiziko. Tsy dia tia mamaky roman kosa anefa.

  2. Manao ahoana jentilisa,

    Misaotra amin’ilay toro-hevitra. Handeha hijery aho hoe inona ary no tsy mety. Vaovao moa ny tena dia mitavozavoza. Inona no heverinao ho tokony amboarina ao ?

    Ilay boky famaky… Efa azoko an-tsaina ihany fa ny baiboly no mety ho matetika voatonona raha boky main’ny teny malagasy. Inona moa no tokony iomehezako anao ?

    Ny ahy ny sience-fiction no tsy dia voako.

  3. Hitsio ny diso:

    “amin’ny” & “science-fiction”

    Maika loatra dia nirifatra…

Leave a reply to coolienne Cancel reply