Mandra-pa…

Dia faly manoratra etoana indray. Alatsinainy androany. Andro vaovao. Tokony hampitsiry ny aingam-panahy. Asa nefa, toa fomba fihevitra ihany izany… Izy ity ve nefa tsy ho tonga rehefa fotoanany ê!

Fa izao, mandram-pieritreritro ny hitondrako ity blaogikeliko ity dia nisy kosa ireo zavatra na hetsika toa efa fantatro fa tsy ho hitan’ny mpamaky ato.

Ohatra, ny manoratra momban’ny fiara. Tsy mahay mitondra akory ka inona moa no ambara. Mitaingina fotsiny.

Ohatra, momban’ny biby fitaiza an-trano. Tsy dia tiako izy ireny. Sady fahasahiranana no toa mampalahelo. Ho ahy, ny biby dia any ivelany, fara-faharatsiny ao an-tokontany. Fa ity ilay mihidy an-trano ity, toa tsy tantiko ny mahita azy. Tia biby aho, izay no anisan’ny tsy hitazomako azy an-trano.

Ohatra koa, momban’ny baolina kitra. Tsy misy antony manokana, fantatro fotsiny fa tsy hanoratra momba io aho.

Ohatra, momban’ny pôlitika malagasy. Izaho kosa nefa olom-pirenena Malagasy, manana maso, sofina, saina ary vava. Hafaka mitantara ny zava-mitranga eto Dago aho fa tsy hiresaka pôlitika pôlitisianina.

Ohatra hafa, ny mitantara momban’ny toetr’andro eto Madagasikara. Efa fahitandra-Dagokely ny rivo-doza. Maro ireo sita mpiresaka ary manome fanampim-baovao isan’ora momban’ny rivo-doza miantefa eto. Ary toa mahatafita ny vaovao tsara. Tsy ho hitanao eto izany.

Tsy ho mpanao gazety mihitsy aho. Tiako ary mahaliana ahy ny manoratra sy ny mamaky fa… samy manana ny asany. Izaho nefa voalazan’ny mpampianatra teny frantsay iray fa manana “style journalistique” hono. Dia soa ihany fa izy no nilaza azy ;-)

Rehefa teren\'ny mangidihidy ve nefa moa...

Izao nefa, inona moa no atao rehefa teren’ny mangidihidy toa an-drangahy miakanjo ambony matroka eo an-kavanana eo amin’ny sary io ?

Hiampy angamba ity lisitra ity… (Talata vao navoakako ho hitanareo ny lisitra na dia omaly aza no natomboka)

Advertisements

3 Responses to “Mandra-pa…”

  1. coolienne Says:

    Eh! mba mamela commentaire moa e! Mba mahafinaritra ahy mantsy no mahalala izay hevitrareo. Na koa mba arahabain’ny olo-mandalo fotsiny koa aza. Misaotra nitsidika!

  2. Faly mafantatra sy mamaky an’i Coolienne. Ka dia efa cool izany. :)
    Tsy ratsy indray iny miteny izay tsy ho hambara eto @ blaoginao. Mafinaritra mamaky anao. Tsy vaotery style journalistique ko, mba miova @ izay ho vakina eny @ gazety.
    Blogguer pour le plaisir d’écrire et de raconter :)

  3. coolienne Says:

    Dans le mille! Blogguer pour le plaisir!

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: