Etsy ange ! Inona kay no boky gasy vakianao ?
Fanontaniana tonga ato an-tsaiko izy ity taorian’ny namoahako ilay lahatsoratra teo aloha io.
Dia inona ary no famakinao raha miresaka boky gasy isika ? Mbola tsy nisy namela hevitra (commentaire) tamin’ilay soratra tetsy ambany mantsy. Saingy mba te hahafantatra fotsiny ny famakinao m(p)andalo eto io. Raha mety dia fintino kely hoe ny tantaran’ilay boky ary mba omeo ny anaran’ny mpanoratra. Azafady indrindra.
Efa ela mantsy no tokony namaky boky amin’ny teny malagasy ny tena (ankoatr’ilay novakiana tamin’ny kilasy famaranana iny… inona moa no anaran’iny ? Ilay misy an-dry “Dubosc” mpanjanaka ?) fa tsy hitako mantsy hoe inona… sa izay hita ao Ambohijatovo aloha dia raisina ?
Izay! mandra-piresaka etoana indray
May 29, 2008 at 8:12 pm
Ny ahy ny boky tena nahafinaritra ahy ny namaky azy dia ilay Taridalana enti-manadihady NY FINOANA SY NY FOMBA MALAGASY, nosoratan’i P. A Razafintsalama. Ny mikasika ny fomba, finoana ary kanto malagasy no tiako amin’ny ankapobeny.
Fa tiako koa ilay boky novakiana teny amin’ny Lycee ireny, toy ny Mitaraina ny Tany nosoratan’i Andry Andraina (raha tsy diso).